- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Vahiny nampandrosoina tao an-trano, nangalatra

Anosipatrana : Vahiny nampandrosoina tao an-trano, nangalatra

Lasan’ilay lehilahy tonga nivahiny tao amin’ireto mpivady monina eny Anosipatrana avokoa ny vola 320 euros, tablette iray, finday roa ary taratasy maro ka anisan’izany ny billet handehanana fiaramanidina, mandroso sy miverina, ho any Maurice. Ny alin’ny 24 desambra teo no niseho ny halatra.  Io alina io,nandeha namonjy toeram-pilanonana izy mivady sy ilay vahiny. Vao roa andro no nahatongavan’ity lehilahy ity tao aminy avy any Nosy Be. Teo nizotra tsara ny fandehan-javatra. Rehefa tonga anefa ny tamin’ny 1 ora maraina, nilaza ilay vahiny fa reraka sady te-hatory ka handeha hody. Nomena azy ny lakile ary lasa izy. Efa tamin’ny 3 ora maraina vao niverina tao an-tranony ireo mpivady. Akory ny hatairany fa nikorontana ambony ambany ny efitranony. Fantatra fa very avokoa ireo zavatra voatanisa eo ambony ireo. Tamin’izany no nahafantarana, fa ilay lehilahy nampiatranoina no naka ireo zavatra rehetra ireo. Saika sarotra ihany no nisambotra azy io, ny talata tamin’ny 2 ora maraina. Tsy maintsy nanapoka basy mantsy ireo polisy avy ao amin’ny PPA Ilanivato vao nanaiky ny anao lahy. Fantatra taorian’ny fanadihadiana, fa vao avy nangalatra sy nivarotra ny firavaka volamenan’ny anabaviny tany Ambilobe ity lehilahy ity. Nitsoaka taty An-drenivohitra izy avy teo dia izao nangalatra tao amin’ny olona nampiatrano azy teny Anosipatrana izao indray.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici