Nihevitra tanteraka ity olon-dratsy fa maty ilay vehivavy nampiharany herisetra, tetsy Anosipatrana ny voalohandohan’ny volana teo ary hilamina hatreto ny aminy, hitadiavany haza vaovao indray.
Tsy valahara ! Lehilahy iray no voasambotra ny polisy misahana ny heloka mamoafady sy fiarovana ny zaza tsy ampy taona, ny talata lasa teo. Voarohirohy tamina resaka vono narahana fanolanana nitranga tetsy Anosipatrana ny voalohandohan’ny volana desambra teo ity lehilahy ity, araka ny fampitam-baovao azo. Tamin’io fotoana io tokoa, alahady, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tamin’izay, vehivavy iray avy nisakafo tamina toeram-pisakafonana iray teny an-toerana no nisy nisintona tampoka. Nentin’ity olon-dratsy niditra elakelan-trano ity vehivavy ity ary nampiharany ny filan-dratsiny avy hatrany. Rehefa vita izay nataony dia nodarohiny tsy nanany antra ilay vehivavy ary tsy nahatsiaro tena intsony. Noheverin’ingahy fa maty angamba ka dia nariany tao anaty dabam-pako tsy lavitra teo. Nambaran’ny mpitandro filaminana anefa fa tsy maty anefa ity farany fa nony nahatsiaro tena dia niezaka ny nanao izay ahatongavany tany an-tranony. Nentin’ireo fiakanaviany namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany moa teo ary avotra soa aman-tsara. « Rehefa nanontaniana izy dia lehilahy iray, monina eny an-toerana ihany no nambarany fa nanolana azy. Nametraka fitoriana teo anivon’ny PMPM Anosy avy hatrany ireo fianakaviana ny alatsinainy faha 07 desambra 2020 ». Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany teo ireo mpitandro filaminana ka niezaka nitady ity mpanolana ity. Ny ampitson’izay anefa no voalaza fa tonga tao an-tranon’ireto fianakaviana ilay lehilahy voalaza fa nanolana azy ary nanome vola iray hetsy ariary ho fandraisana anjara amin’ny fitsaboana ilay vehivavy. « Nangataka ihany koa ny tsy hitondràna ny raharaha eny anivon’ny manam-pahefana anefa fa atao raharaham-pihavanana » ary taorian’izay dia tsy tazana intsony. Niafara tamin’ny fisamborana azy ihany moa ny raharaha ary natolotra ny Fampanoavana omaly.
m.L