- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Voatafika tamin’ny basy ireo mpiasan-gazety avy niasa

Anosipatrana : Voatafika tamin’ny basy ireo mpiasan-gazety avy niasa

Nambanana basy ny mpamily. Novakiana tamin’ny hazo sy zava-maranitra ny fitaratry ny fiara. Nalaina ny fanalahidy nony avy eo, ary rehefa vita izay dia norobaina ireo olona tao anatiny. Izany no nanjo ny mpiasan-gazety izay avy niasa ka naterin’ny fiara iombonana ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Tetsy Anosipatrana, teo am-panaterana ny teknisiana iray no nitranga ny fanafihana. Toa efa nandrasan’ireo jiolahy mihitsy ny fahatongavan’ilay olona izay tsy maintsy miditra elakelan-trano kely no sady maizina mba hahatongavana ao an-tokantranony. Tsy maintsy miandry kely ny mpamily mandra-pidiran’ilay olona ateriny eo akaikin’ny tranony. Teo indrindra no niseho ny asaratsy. Nisy jiolahy nivoaka avy tao anaty haizina ary nandrangaranga basy. Noraofin’ireo avokoa izay rehetra azo nalaina, ankoatra ny antontan-taratasy sy ny paoketran’ireo olona tao anaty fiara. Tsy nisy hita izy ireo nony avy eo. Ilay fiara tsy mataho-dàlana kosa tsy afaka nihetsika intsony satria lasa hatramin’ny fanalahidy. Voatery niala tao anaty fiara ireo voaroba ary nandeha teny amin’ny arabe ary nanakana izay fiara afaka manavotra. Ny olona tao no nangatahina  finday mba hiantsoana ny toeram-piasàna mba handefa fiara iray hafa haka azy ireo. Milaza ny mponina eny an-toerana fa tena anjakan’ny jiolahy tanteraka Anosipatrana noho ny antony roa : ny haizin-kitroka noho ny tsy fisian’ny andrin-jiro ary koa ny fanadinoan’ny mpitandro ny filaminana manao fisafoana eny. Mangataka izy ireo mba ho tonga eny ireo « peloton mobile » izay mivezivezy erak’andrenivohitra, ary tsy mijanona eny amin’ny arabe fa mba miditra any anaty elakelan-trano rehetra any. Tsy voalohany no nisy fiaran’ny orinasan-gazety voaroba amin’ny basy rehefa mody amin’ny alina. Ity anefa dia asa amin’ny alina ary tsy maintsy sedrain’ireo mpiasa ny fodiana amin’ny haizina. Asa, tokony mba efa eritreretina amin’izay ny hanasiana mpiambina mitam-basy amin’ny fanaterana mpiasa alina amin’izao fotoana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici