Mia ratsy hatrany raha ny resaka fandriam-pahalemana eto amintsika. Ny zoma tolakandro lasa teo, fiara iray noentina lehilahy iray 45 taona izay nisandoka ho zandary no nosakanan’ny polisy teny amin’ny Digue Anosipatrana. Marihina fa loharanom-baovao marim-pototra voarain’ny teo anivon’ny polisy no nahafahana nanakana io fiara io. Rehefa nijanona ilay fiara dia nampilaza tsotra izao ralehilahy fa zandary ka tokony homena làlana. Marihina fa fanamiana zandary tokoa no nanaovan’io lehilahy io tamin’ny fotoana nanakanana azy saingy tsy nihanona tamin’izany ireo polisy fa niroso avy hatrany tamin’ny fisavana ny karatra manamarina ny maha zandary ity farany. « Efa maro ny polisy no voafitaka rehefa sendra ny olona manao fanamiana mpitandro ny filaminana ka tsy misava ny fiarany, saingy teti-dratsy ihany izany hoentina miala ny fisavana tokony hatao » hoy ny fanazavan’i Kaomisera Jean Victor Tsaramonina Ravony, Kaomisera prinsipaly miadidy ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena. Vokany : tsy nahitana izany tokoa teny amin’ilay lehilahy nitondra ny fiara. Avy hatrany ireo polisy dia niroso tamin’ny fisavana ireo entana tao anaty fiara noho izany ka tratra tamin’izany ny basy kalack mahery vaika roa, « boîtes à chargeur » miisa dimy, « cartouches » miisa 178, ary fanamiana zandary miisa enina. Notànana avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy io lehilahy io taorian’izay. Ny fanadihadiana natao taminy no nahafantarana fa saika hamatsiany ireo dahalo any Atsimo ireo fitaovam-piadiana sy fanamiana zandary ireo. Rehefa nanontaniana ny amin’ny fomba nahazoany ireo ity lehilahy mpisandoka ho zandary ity dia nilaza mazava fa mpitandro filaminana ihany no nanome azy ireo. Ity farany noho izany no nanoro ny toerana nisy io mpitandro filaminana io ka nahafahana nisambotra azy ihany koa. Fantatra araka izany fa anisan’ny mpandray anjara amina resaka fanafihan-dahalo ity lehilahy mpamatsy dahalo sy mpisandoka ho zandary ity, ary efa maro ireo basy efa namidiny. Omaly izy roa lahy ireo, ilay mpamatsy dahalo sy ilay mpitandro ny filaminana niray teti-dratsy taminy no natolotra ny Fampanoavana. Manoloana izany, mampitandrina hatrany ny eo anivon’ny Polisim-pirenena malagasy fa ho hentitra dia hentitra ny amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ho tombotsoa iraisan’ny rehetra. Ezahina araka izany ny hanongotra eny ifotony ny firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy toy ity tranga iray ity. Tsy hitsitsitsitsy izy ireo manoloana izay rehetra mandika lalàna sy manao heloka be vava, tsy hanavahana na mpitandro ny filaminana, na manamboninahitra, na olom-boafidy na olon-tsotra. Izany no atao dia mba hialana amin’ny fanaratsiana ny endriky ny Polisim-pirenena malagasy.
Niony H.