- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Zaza 2 taona maty kilan’ny afo

Anosipatrana : Zaza 2 taona maty kilan’ny afo

Nisehoana haintrano teny Anosipatrana, tamin’ny sabotsy lasa teo. Zazalahikely roa taona latsaka no namoy ny ainy kilan’ny afo niaraka tamin’ireo entana tao amin’ny an’efitrano iray. Tany amin’ny 8 ora tany no niseho ny loza. Ny loharaom-baovao no nahafantarana fa labozia nirehitra no nahatonga izao firehetana izao, tao ambany rihana.. « Matetika tsy maintsy mandrehitra jiro rehefa miditra ao amin’io efitra io na dia amin’ny antoandro aza ny tompontrano, satria trano somary maizimaizina izany. Tapaka anefa ny herinaratra teny an-toerana ka nandrehitra labozia mba hanazava ilay zazalahikely natory ny reniny. Rehefa izany dia lasa nandeha ilay ramatoa reniny. Tsy nieritreritra akory izy fa mety hitera-doza izany. Ny tsy fantany, nahazo ny fandriana sy ny lamba narakotra an’ilay zaza izany. Nitatra ny afo ary vetivety dia nihanaka eran’ny trano. Tsy nisy nahatsikaritra ny fahamaizana ny manodidina. Rehefa hita ny afo vao nikoropaka ny rehetra. Natao ny fanairana ary nifarimbona ny rehetra namono ny afo. Tsy nisy nahatsikaritra fa misy zazakely tavela ao. Tamin’ny fiverenan’ny reniny vao samy gaga ny rehehtra fa misy zaza matory ao. Efa maty kilan’ny afo io zaza io tamin’izay fotoana izay.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser