- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosisoa Ambohimanarina : “Hummer” nandona olona ho faty, nitsoaka

Anosisoa Ambohimanarina : “Hummer” nandona olona ho faty, nitsoaka

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’iny faritra Anosisoa Ambohimanarina iny omaly alina, tao anatin’iny oram-be teto an-drenivohitra iny. Tovolahy iray, manodidina ny 18 taona eo ho eo no nitsirara eo am-povoan’arabe, efa tsy nisy aina intsony. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana sy ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana dia voadonan’ny fiara ity tovolahy ity, tokony ho tamin’ny sivy ora alina latsaka kely teo. Saingy tsy nijanona akory anefa ity fiara nahavanon-doza, fa mbola nanohy ny diany hatrany sy nirifatra nitsoaka. Tsy voarain’ireo nanatri-maso ny laharany saingy fantatra kosa fa fiara tsy mataho-dalana marika “Hummer” ilay fiara, hoy ireo mponina. Raha ny fahitàna ny razana dia nandeha mafy ilay fiara nandona. Nahitana faritra naratra be teo amin’ny lohany, antony izay heverina fa nitarika ny fahafatesany. Tovolahy tsy mponina eny an-toerana izy io, saingy kosa mpandalo eny matetika. Somary tsy dia salama saina loatra izy, ary matetika no misangy ireo fiara eny am-povoan’arabe, raha angom-baovao hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo pôlisy ary niezaka nandamina ny fifamoivoizana, izay nitohana dia nitohana tokoa teo anatrehan’ity loza ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici