Rangahy 72 taona, efa tsy nihetsika intsony, no hitan’ny mpandalo tetsy Anosivavaka omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina. Tsy nisy ratra na mangana ny vatany. Raha ny fitantaran’ny olona dia heverina ho mamo izy tamin’ny fetim-pirenena teo ary nidaraboka tao amin’ilay tanimbary izay tsy mifanalavitra amin’ny arabe rahateo. Tao dia tsy tafarina intsony izy raha araka ny tomban’ny olona.
“Bois de rose”. Hanampy amin’ny ady ny israeliana : Ny 24 jiona teo no nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ny delegasiona Israeliana, izay misy manam-pahaizana maromaro ao anatiny. Mahakasika tanteraka ny ady amin’ny trafikan’ andramena ny dinidinika. Isan’ny nampanantenain’ity delegasiona ity ny hanomezana fanampiana ara-pitaovana ny zandarimariam-pirenena. Raha araka ny fanamarihana dia ny filohan’ny Repoblika no nanome baiko momba ny maha-zava-dehibe ity fihaonana ity. Izany dia taorian’ny fandalovany tany Israely.
D.R