Lehilahy iray no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny alatsinainy teo, teny amin’iny faritra Anosivavaka Ambohimanarina iny, noho ny fanaparitahana sy fivarotana “esma”, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tamin’ny fotoana nisamborana azy, hoy hatrany ny loharanom-baovao, dia mbola nahatratrarana “esma” tamin’ny fonosany maromaro sy “rarany” amin’ny grama betsabetsaka ihany tany aminy. Marihina fa karazan-drongony, zavamahadomelina somary maherihery ity antsoina hoe “esma” ity. Eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny dia voalaza fa lasa maro loatra ireo olona, tsy anavahana salan-taona, mandray ity zava-madomelina. “Sarangan’olona maro no manjifa izany ao aminy ka 25 hatramin’ny 50 taona ny salan-taonan’izy ireo”, hoy ny antontan’isa nomen’ireo mpitandro filaminana. Raha ho an’ity lehilahy tratra ity fotsiny dia mahalafo fonosana “esma” dimy isan’andro ingahirainy. Nambara fa vidiny amin’ny sachet izany zava-mahadomelina izany, amin’ny vidiny 50.000 ariary. Tsinjarainy amin’ny fonosana maromaro amin’izay avy eo ka amidiny eo amin’ny 3000ariary ka hatramin’ny 5000ariary ny iray fonosana, arakaraka ny hangezany. Araka izany, taorian’ny fitairanana maro tonga teny anivon’ny polisy dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana ka nahafahana nisambotra ity lehilahy ity, izay raha ny fantatra dia anisan’ireo mpamatsy rongony iny faritra iny. Azo inoana anefa fa tsy izy irery ihany fa mety mbola maro izy ireo. Manentana ny rehetra araka izany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana mba hifampizara vaovao hatrany amin’ireto farany, hahafahana mamongotra hatramin’ny farany ireny fanetriben’ny firenena ireny. Voalaza ombieny ombieny mantsy fa anisan’ny fositra iray mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ny fisian’ireo mpibizina sy mpifoka rongony.
m.L