Nivatravatra ny orana omaly hariva raha ny teto an-drenivohitra. Nirefodrefotra torak’izany ihany koa ny varatra. Lehilahy iray no namoy ny aina nilatsaham-baratra, omaly hariva, tokony ho tany amin’ny 5ora tany ho any, teny amin’ny farita Anosivavaka Ambohimanarina iny, raha ny fanazavana azo avy tamin’ny mpitandro ny filaminana. Ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerna dia nilaza fa nisy telo izy ireo niaraka tamin’io fotoana io teny an-dàlana. Nirefotra ny varatra, ary niantefa tany amin’ireto olona ireto. May tanteraka ny ilany havanana tamin’ilay tovolahy ary efa tsy nitempo intsony ny fony. Samy naratra mafy vokatr’izay filatsaham-potaka izay kosa ny roa ambiny. Nisamaritaka ny mponina teny an-toerana niezaka namonjy ireto olona niharam-boina ireto. Nentina avy hatrany tao amin’ny kazerin’ireo mpamonjy voina teo akaiky teo ireo niharan-doza. Indrisy anefa, tsy tana intsony ny ain’ilay tovolahy efa tena voa mafy, araka ny nambaran’ny teo anivon’ireo mpamonjy voina. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra hafa, raha ny fantatra hatrany. Fa mbola resaka herinaratra mahery vaika nahafaty olona hatrany. Lehilahy iray no natsipin’ny herinaratra avy teny ambony tafo, teny Tsiadana omaly. Naratra mafy ary nentina tany amin’ny hôpitaly, tsy tana intsony anefa ny ainy nony teny an-dàlana, araka ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana. Nambaran’izy ireo fa, saika hanamboatra tafo ity lehilahy ity, nialohan’ilay oram-baratra, no sendra tratran’ny herinaratra ka natsipiny avy teny ambony ary lavo taty ambany. Nifamonjena haingana, saingy tsy avotra intsony. Tato ho ato izay somary nasiatsiaka mihitsy ny varatra teto an-drenivohitra. Tokony hitandrina foana araka izany ny tsirairay : tsy fihazakahana anaty orana, ny tsy fialofana ambany lavarangana na am-body hazo, sns.
m.L