Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona teny Anosivavaka Ambohimanarina, omaly. Vehivavy iray no fantatra fa namoy ny ainy. Ny loharanom-baovaoa no nahalalana fa nifanenjika ny taxi-be roa. Tamin’izany no nahavoadona an’ilay ramatoa 45 taona. Nisy lehilay iray ihany koa voadona tamin’io fotoana io. Efa lehibe ihany izy satria mananika ny faha- 60 taonany. Ireo nanatrika ny loza no niantso avy hatrany ny mpamonjy voina sitrany ahay hitondra ireo maratra any amin’ny hopitaly. Dia mandeha ny resak’ireo nanatrika fa namono olona indray ny taxi-be.
r.s.