- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Adala nandratra olona 6 tamin’ny famaky

Anosizato : Adala nandratra olona 6 tamin’ny famaky

Lehilahy iray, tsy fantatra mazava na tena adala na nentina zavamahadomelina, no hitan’ny olona, mitondra famaky sy mamely izay mpandalo sendra azy, omaly maraina, teny Anosizato atsinanana.

Aza sendrany ihany ! Nisoamaritaka ny olona, tokony ho tamin’ny 6 maraina teo. Nifantsitsitra ny rà. Olona 5 no fantatra fa naratra vokatr’izany. Voa teo amin’ny hatony, ny sofiny ary lamosiny avokoa ireo olona naratra ireo. Araka ny filazan’ny fianakavian’ny iray tamin’ireo naratra mafy, izay mbola ao amin’ny sampana famelomanaina hatramin’ny fotoana nanoratanay, dia avy teny amin’ny tsenan’ny tantsaha teny ity rangahy ity no nizotra toa ho any Anosibe iny. Tsy fantatra mazava izay nanjo azy tamin’izay fa niridana tampoka izy ary namely ireo mpandeha tongotra izay nifanena taminy. Ity rangahy voa mafy ity, 50 taona any ho any dia nivoaka mba handehandeha vao maraina. Somary naka aina kely nipetraka izy no tampoka teo, efa famaky no nianjera teny amin’ny hatony. Tsy nahatsiaro tena, noho ny ratra nahazo azy, ka tsy maintsy novonjena teny amin’ny hôpitaly. Araka ny fantatra hatrany dia nahatratra efatra teo ireo olona naratra mafy. Ka anisan’izany, ny zazakely iray, izay niendaka mihitsy ny ilan-tsofiny, araka ny voalazan’ireo nanatri-maso hatrany. Isan’ny naratra ihany koa ny tovovavy 15 taona, saingy tsy dia lasa lalina ny ratra.

Novonoin’ny olona. Izay nahita ny zava-niseho dia samy niantsoantso ny hisamborana an’ity lehilahy, voalaza fa adala ity avokoa, saingy izay sahy nanatona azy dia nambanany sy novelesiny tamin’ny famaky avokoa.Raha ny fitantaran’ny mponina. Raha saika mbola hanampy isa ireo naratra izy no nisy namely tamin’ny hazo avy taty aoriana. Nilatsaka ny famaky teny an-tànany. Niromborombo amin’izay ny fokonolona, niezaka nanjera ity rangahy ity. Raikitra ny daroka sy ny vono, ary tsy navelan’ny olona raha tsy nahahetsika intsony. Mpitandro filaminana no nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana teo akaiky, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso hatrany. Hatramin’izao ihany koa dia mbola tsy mahatsiaro tena io lehilahy nively mpandalo io. Voalazan’ireo teny an-toerana fa tsy isan’ny mponina eo amin’ny fokontany ity rangahy ity, ary tsy mahalala azy ny olona. Tsipy teny ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny mba handraisana fepetra, ny amin’ireny olona tena adala mirenireny eny an-dalana ireny, hialàna amin’ny trangan-javatra toa izao.

Mike L.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser