Tokantrano iray tetsy Anosizato Andrefana indray no nataon’ny afo kilalao, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Vokany, ankizilahy roalahay, valo taona sy efa-taona no indray namoy ny ainy, may kilan’ny afo. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no niseho ny loza, raha ny fanazavana azo. Tsy nisy afa-tsy ireto ankizy ireto irery no natory tao an-tranony. Nandeha nivoaka kosa ny renin’ity zaza ity, ary namela afon-dabozia tao an-trano. Ity farany no nahatonga ny loza, raha ny vaovao azo teny an-toerana hatrany. Ny setroka nidonaka sy ny afo nijoalajoala no nanaitra ny manodidina sy niezaka namonjy. Nihidy mafy tany ivelany anefa ny trano ka tsy afa-nanoatra firy ireo mpamonjy. Taoriana kelin’izay ihany koa no tonga ilay reniny, saingy indrisy fa tsy afaka nanao na inona na inona intsony. Nantsoina avy hatrany ny mpamonjy voina, izay voatery nizara roa. Tamin’io fotoana io ihany koa mantsy no nisehoan’ny hain-trano tetsy Behoririka. Na izany aza tonga haingana teny an-toerana izy ireo, niezaka nifehy ny afo sy namonjy ireo zaza tavela tao amin’ity trano nirehitra ity. Efa vatana mangatsiakan’ilay zazalahy iray no nosokirina tao. Mbola nisy aina kosa ilay rahalahiny iray. Ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Indrisy anefa fa tsy tana intsony ihany koa ny ainy. Marihana fa trano biriky misy rihana iray ity trano nirehitra teny Anosizato Andrefana ity. Nisesisesy indray ny hain-trano tato ho ato, noho ny hafanana manevokevoka. Tokony hitandrina ny tsirairay araka izany, indrindra fa amina resaka pitik’afo sy resaka herin’aratra.
m.L