« Indimy nanandrana nampiditra an-tery ny mahalehilahy azy tao amin’ilay zaza izy saingy mitoreo mahararay foana ilay zaza dia ajanony … ». Ekena fa tsy mbola nisy fanolanana ara-bakiteny saingy eo imason’ny lalàna dia efa feno ny fepetra ahafahana manenjika ara-keloka an-dratovolahy. Etsy andanin’izay, nampitondra taikatra an’ilay zaza ny zava-dratsy nataony. Voalaza mantsy fa niha-niova foana ny fandehan’ity lasibatra ity.
Zava-nitranga mahatsiravina tao Anosizato Andrefana ity tranga ity. Raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana tokoa mantsy dia efa nanomboka ny volana novambra lasa teo no efa niezaka nanao ny tsy fanao tamin’ity zaza ity foana ity tovolahy ity. 11 taona ilay ankizivavy kely amin’io zazavavy kely tsy manan-tsiny, izay noezahin’Ingahy hopotehana. Efa io imbetsaka io no saika hanao an-terisetra foana saingy soa ihany fa tsy tojo hatramin’ny farany ny fikasan-dratsiny, rehefa mikiakiaka mitomany ilay zaza. Mazava ho azy fa fomban-dry zalahy ireny matetika ny manambitamby avy hatrany rehefa avy mametaveta azy.
Ny rainy izay nahita ny fiovàna teny amin’ilay zanany moa no avy hatrany dia nametraka ny fitoriana teny amin’ny zandary teny Anosizato, rehefa nahafantatra ny zava-nisy. Tsy nisalasala avy hatrany ihany koa ireto farany nandray ny andraikiny ary nisambotra avy hatrany ity lehilahy tsy valahara ity. Ny alatsinainy teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ingahy ary navantana avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L