- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Asan-jiolahy, voatifitra ny tompon-trano

Anosizato : Asan-jiolahy, voatifitra ny tompon-trano

Tsy mifadi-trovana intsony ireo totakely amin’izao fotoana izao. Nirefotra ny basy. Tokantrano iray teny Anosizato no notafihina andian-jiolahy mitam-basy, omaly vao maraina. Naratra vokatr’izany ny ramatoa lehibe iray, manodidina ny 60 taona tany ho any, ary vola 1 tapitrisa Ar no lasan’ireto olon-dratsy. Araka ny vaovao re dia nopoirin’ireto jiolahy ireto ny trano ary niditra izy ireo. Ankevitry ny fantampatany fa tsy nisy afa-tsy ity ramatoa be ity irery no olon-dehibe tao an-trano ka tsy nisalasala izy ireo nanafika ity trano ity. Mety ho nisy fanoherana ihany koa nataon’ny tompon-trano fa tsy nisalasala mihitsy ireto jiolahy nitifitra itsy voalohany. Soa ihany aloha fa nandalo fotsiny teo amin’ny sorok’ity ramatoabe ity ny bala fa tsy nahavoa azy tsy akory. Fotoana fohy monja no nisian’ny fanafihana. Ary lasa nandeha nitsoaka niaraka tamin’ny volabe ireo jiolahy rehefa vita ny nataony. Fantatra moa fa nalefa notsaboina eny amin’ny tobim-pahasalamana amin’izao fotoana izao ity ramatoa be ary tsy misy atahorana ny ainy.

Mike L.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser