Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosizato Atsinanana afak’omaly alina. Miisa efatra ireo mpanafika ary mirongo “kalach sy Pistolet Automatique (P.A)”. Niditra an-keriny tao an-trano ry zalahy ary nanambana basy ny tompon-trano no sady nanery azy ireo hanome ny vola rehetra tao an-trano sy ny firavaka sarobidy ary ny finday. Nisy anefa ny fanapoahana basy ka olona iray tao an-trano no niantefan’ny bala. Naratra mafy ity farany, saingy mbola avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Ireo jiolahy kosa naka vola 300.000 fmg, sy finday ary firavaka vitsivitsy. Nandositra ireo jiolahy rehefa nahazo izay notadiaviny. Nisy anefa ny fiantsoana vonjy nataon’ny manodidina ka nisy roalahy voasambotra. Ilay naratra kosa nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany ka voalaza fa mety hotapahana mihitsy ny tongony, noho ny fahavoazana mafy nahazo azy. Nanapakevitra ny tomponandraikitra ao amin’ny fokontany fa noho ny firongatry ny asan-jiolahy dia haverina indray ny andrimasom-pokonolona eny an-toerana.
A.R.