- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato Atsinanana : Fivarotana roa voaroba

Anosizato Atsinanana : Fivarotana roa voaroba

Ny talata lasa teo, fivarotana roa indray no voaroba teny amin’ny faritra Anosizato Atsinanana. Ny loharanaom-baovao no nahafantarana fa tokony ho tany amin’ny 6 ora sy sasany no tonga ireo mpandroba. Tao amin’ny tsena voalohany, niditra ohatra ny mpividy rehetra ry zalahy. Avy hatrany anefa dia voaambana basy ny tompon’ny tsena ary noterana hanome ny vola rehetra tao amin’ilay fivarotana.Teo anatrehan’izany, tsy afaka nanao na inona na inona fa nanaraka izay notadiavain’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vola maty rehetra tao anatin’ny andro iray. Raha vao nahazo izany ireo mpandroba dia voalazan’ny vaovao fa nifindra tamina tsena iray tsy lavitra teo. Dia sahala amin’ilay teo aloaha ihany, fandrahonana basy ny hanome ny vola. Vao nahazo izany ireo jiolahy dia niala ny toerana. Tombanana ho aman-hetsiny maro no very tamin’io hariva io. Feno fahasahiana tokoa ny mpangalatra amin’izao fotoana izao. Mbola maro mpanjifa ireo fivarotana ireo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpandroba. Tsy nisy afaka nihetsika anefa nahita ny basy narangarangan-dry zalahy fa samy nipirina avokoa. Amin’izao fotoana izao, tsy mandingana andro mihitsy ny fandrobana arahana herisetra miseho etsy sy eroa eto an-drenivohitra. Ny mpitazana sy manampahaizana dia milaza fa vokatry ny fahantrana avokoa izany rehetra izany.

Nangonin’i r.s

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici