Roa izy ireo no nanao ny « opération », saingy tafaporitsaka ny iray ary voasambotry ny pôlisy avy eo anivon’ny sampan-draharahan’ny pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika kosa ny iray.
Teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny, ny maraim-ben’ny alahady teo, vao naharay fampandrenesana mahakasika fisian’olona mikasa handroba tokantrano iray teny an-toerana ny teo anivon’ny pôlisy, avy hatrany dia naniraka ireo pôlisin’ny SAG ho eny. Vokany, mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo no tra-tehaka saingy io tafaporitsaka io ny iray. Raha ny fanazavana azo dia efa tafiditra tao amin’io tokantrano io mihitsy izy roa lahy ireto ary nangalatra ireo vy tao an-toerana. Naheno ny zava-nisy anefa ny tompon-trano ka niantso vonjy avy hatrany. Tsy nanam-potoana nahafahana nandositra intsony ilay iraika lahy ka dia noraisim-potsiny teo. Mbola somokitra rahateo ingahy nibata ireo vy. Nosamborina avy hatrany ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria ny boriborintany fahadimy izy, hoy ny vaovao, ho fanohizana ny fanadihadiana. Tsy nijanona teo amin’ny fisamborana azy kosa ireto mpitandro filaminana fa nanao savahao ny manodidina, nikarohana ilay namany tafatsoaka, izay mbola tsy hita hatreto.
m.L