- Publicité -
mercredi, mars 4, 2026
AccueilFaits-DiversAnosizato atsinanana : Mpamaki-trano saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Anosizato atsinanana : Mpamaki-trano saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Soa fa tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana nanampy tamin’ny fanenjehana ity lehilahy iray tratra namaky trano ity. Tokantranon’olona iray teny Anosizato no novakian’ity tovolahy vao 19 taona monja itysy ny namany  ny marainan’ny 26 martsa lasa teo tokony ho tamin’ny  ora. Nisy nahatsikaritra izany asa-ratsy izany ka raikitra ny antso vonjy nataon’ny manodidina. Vetivety foana dia vory ny olona avy eo amin’ny fokontany ka raikitra ny fanenjehana ireto jiolahy izay fantatra fa efa nahavita nangalatra kojakojan-dakozia, « panneaux solaires », « batteries » tao amin’ilay trano. Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsaka kosa ireo namany izay tsy fantatra marina ny isany. Efa nanomboka nidaroka azy ny fokonolona no tonga teny an-toerana ireo polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, sakelika faha-telo izay nanatanteraka fisafoana teny amin’iny faritra iny. Nandritra ny fanadihadiana natao azy dia niaiky ity tovolahy ity fa avy namaky trano teny Anosizato atsinanana tokoa ny tenany sy ireo namany. Olom-pantar’ilay tompon’ny trano vaky ihany izy sady efa nipetraka tao amin’ity farany. Izy no nampiditra ireo namany hafa hamaky ilay trano. Noetina tao amin’ny komisarian’ny polisy etsy Mahamasina ity lehilahy ity taorian’ny fisamborana azy mba hanohizana ny fanadihadiana azy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici