Lehilahy 37 taona no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly teny Anosizato Atsinanana-I rehefa voalaza fa nanolona tovolahy 17 taona. Araka ny loharanom-baovao dia mifankahalala tsara ireto olona ireto ary nampanantena ny handefa ity ankizilahy ity any Maurice ilay voalaza fa mpanolana. Efa nokarakarainy hatramin’ny pasipaoro mihitsy aza ka izany no nohararaotin’ity farany nanaovany ny asa ratsiny. Nilaza ho narary ao amin’ny fitombenany ilay zazalahy ary nolazainy fa vay io mahazo azy io. Nisy Pasitera iray anefa nilaza fa rehefa tsy ao an-trano ny renin’ity tovolahy ity, izay kamboty ray, dia mifanoroka sy mifanafosafo izy sy ilay lehilahy. Noho io antony io dia resy lahatra ilay renim-pianakaviana fa tena nanamparan’ity ny filan-dratsiny ny zanany. Tezitra noho izany ny fokonolona ka nisambotra ary saika hanao fitsaram-bahoaka ilay voampanga. Tsy tanteraka anefa izany noho ny fandraisana andraikitra haingana teo amin’ny lehiben’ny fokontany Anosizato Atsinanana-I, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nidina teny an-toerana avy hatrany ity farany niaraka tamin’ireo andrimasom-pokonolona miisa 23 ka nanakana izany. Nampandrenesina momba ny raharaha ny lehiben’ny distrika Antananarivo IV. Ity farany no nanome baiko ny polisy hirotsaka an-tsehatra. Samy nalain’ny polisy ary nentina nihazo ny kaomisarian’ny polisy hatao fanadihadiana.
T.M.