Sarotra kokoa ve ny nivelona tamin’ny asany ka dia izao nivadika ho tontakely izao ity mpivaro-mandeha iray ity ? Lehilahy iray, monina eny amin’iny faritra Andavamamba izy, tra-tehaky ny andrimasom-pokonolona teo am-panendahana olona teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Lasany tamin’izany ny kitapon’ity lasibatra. Ny antso vonjin’ity farany no nanaitra avy hatrany ireo andrimasom-pokonolona ka dia raikitra teo ny fifanenjehana ary tsy namelan’ireo mpanenjika raha tsy azon’izy ireo soa aman-tsara izany tontakely izany. Eny an-toerana rahateo, efa mipetraka tsara ity rafitra ity, ary mifarimbona amin’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny asa ratsy, izay miha-mahazo vahana eny an-toerana izy ireo. Araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy dia rehefa nahazo antso izy ireo, ny tao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, dia nigadona teny an-toerana. Ilay mpanendaka efa voafatotr’ireo andrimasom-pokonolona no hitan’izy ireo teny an-toerana. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao mba atao famotorana moa ity farany, eny fa na dia tsy nametraka fitoriana aza ilay lasibatra, rehefa niverina monja ny zavatra nalain’ity tontakely ity. « Kanefa kosa, noho ny fitarainana nataon’ny andrimasom-pokonolona dia nitohy ny fanadihadiana ». Natolotra ny Fampanoavana ny alarobia lasa teo moa ity mpivaro-mandeha nivadika ho tontakely ity, ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. « Manentana hatrany ny polisim-pirenena mba hampandre avy hatrany raha vao misy tranga mampiahiahy ahafahana manongotra ny asan-jiolahy tahaka izao » hoy ny fampitam-baovao.
m.L