- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnosizato : Fanafihana mitam-piadiana, 120 tapitrisa ariary lasa, olona iray maty voatifitra

Anosizato : Fanafihana mitam-piadiana, 120 tapitrisa ariary lasa, olona iray maty voatifitra

Vao tsy nisy volana iray akory no nisian’ny trangam-panafihana nahafatesana olona teny amin’iny faritra Anosizato iny dia efa io indray ! Ny harivan’ny sabotsy teo, tokantrano iray indray no niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Antokonanitsara, Anosizato, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any. Tao anatin’izany, mpandalo iray no voatifitr’ireo olon-dratsy teny am-pandosirana ka maty. Vola mitentina teo amin’ny 120 tapitrisa ariary kosa no lasa.

Raha ny fanazavana azo dia ankevitry ny efa notilian’ireo olon-dratsy ity tokantrano iray ity, izay marihina fa any amin’ny rihana ambony no monina. Efa fantampatatr’izy ireo ihany koa ny fisian’ilay volabe tao an-trano ka niditra avy hatrany izy ireo tamin’io fotoana io. Telolahy nitondra basy lava no voalaza fa nanao ny asa ratsy. Ireto farany dia nafehy ilay vehivavy tao an-trano avy hatrany, rehefa nandrangarana ny basy teny an-tanany. Sakaosy sy valizy iray nisy ireo vola no nentin’izy ireo nitsoaka taorian’izay.

Nisy nampandre tamin’ny fotoana nisehoan’ilay fanafihana moa ny zandary ary niditra an-tsehatra avy hatrany, nanenjika ireto olon-dratsy. Tsy nisalasala nitifitra ireto mpanenjika azy anefa ireo jiolahy. Saingy tsy ireo nokendrena no voa fa rangahy iray, sendra nandalo teny an-toerana. Nifamonjena haingana moa ity farany saingy indrisy fa efa maty tsy tra-drano. Nanohy ny fitsoahany kosa ireo mpanafika, fa kosa, nisy iray tamin’ireo sakaosy nisy vola, teny amin’izy ireo no latsaka tao anatin’ny fifandonana. Tafaporitsaka ihany moa izy ireo nony farany ary mbola manohy ny fikarohana sy ny sahavao ireo mpitandro filaminana. Ilay namoy ny ainy kosa dia efa natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici