Nirefodrefotra ny basy. Nandriaka ny rà. Nisahotaka ny olona. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nivaivay tetsy Ambanimaso, Anosizato andrefana, tsy lavitry ny fiantsonan’ny taxibe 110, ny harivan’ny zoma lasa teo. Manodidina ny tamin’ny fito ora tany ho any, vehivavy iray mitana irony toerana fandefasam-bola na « cash point » irony no lasibatry ny jiolahy anankiroa, nirongo basy sy zava-maranitra. Nendahin’izy ireo tsy nanany antra ity vehivavy ity ary lasa tamin’izany ny vola aman-tapatrisany maro tany ho any. Tsy vitan’izay anefa fa mbola norasarasain’izy ireo tamin’ny antsy teny am-pelan-tanany ihany koa ny lohany. Nitsoaka avy hatrany ireto farany nihazo ny elakelan-trano teny an-toerana.
Naheno ny antso vonjin’ity farany anefa ireo mponina ka rafitra avy hatrany nanakana ny lalan’ireo olon-dratsy ary niezaka ny hisambotra azy ireo. Kanjo, tsy nisalasala nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany ireto farany. Nanakoako ny poa-basy. Lehilahy iray, nahasambotra ny iray tamin’izy ireo ary niantefan’ny bala teo amin’ny valahany. Tsy vitan’izay, vehivavy iray nifanitsy tamin’ny dian’izy ireo ihany koa no voaletra antsy teo amin’ny tratrany. Torak’izay ihany koa ny lehilahy iray hafa, izay voatsindron’antsy teo amin’ny tratrany ihany koa. Samy naratra mafy izy telo ireto, saingy ilay vehivavy no tena voa mafy ary indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, teny an-dalana hamonjy hôpitaly. Ireo roalahy kosa, niaraka tamin’ilay mpitantana « cash point » mbola manaraka fitsaboana eny an-toerana.
Tamin’io fotoana io ihany moa dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana saingy efa nanjavona, nafenin’ny haizina sy ny elakelan-trano ireto olon-dratsy. Ny olona rahateo, mbola nisoamaritaka namonjy ireo naratra. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ary mbola manohy ny fikarohana ireto tsy valahara ireo tompon’andraikitra.
m.L