Ny dian-dratra teo amin’ny lohany no nahafahana nilaza fa nisy namono ity olona ity vao natsipy tany anaty rano
Nitangorona ny olona, omaly maraina teny amin’ny faritra Anosizato. Nisy fatin-dehilahy iray mantsy natsingevan’ny ranon’Ikopa. Nantsoina ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalana. Nampiakarina an-tanety ny razana. Samy nijery teo ny rehetra. Efa nisy koa ny tompon’andrikitra tonga. Rehefa navadibadika ilay razana dia hita fa nisy dian’antsy teo amin’ny faritry ny lohany. Samy nanana ny filazany tamin’izay ny olona. Fa ny nitambarany dia ny hoe, notsatohana zava-maraniatra ilay lehilahy. Ny tsy fantatra, maty ve izy vao nalefa tany ananty rano sa mbola velona? Ireo rehetra nijery dia samy tsy nisy nahafantatra azy. Olona eo amin’ny 30 taona eo ho eo ity hita faty ity. Tsy nisy nahafantatra azy ny mponina manodidina. Tany aminy koa tsy nisy taratasy tokony hahafantarana azy. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Avy amin’izany no hahalalana ny zavatra nisy marina mikasika izao vonoan’olona izao. Tsy sambany koa mantsy no nahitana fatin’olona tany anaty ranon’Ikopa nisy ratra sahala amin’izao fa efa imbetska mihitsy.
r.s.