Fiara kely iray no nirehitra, teny amin’iny faritra Anosizato iny, ny andron’ny faran’ny taona lasa teo. Samy nikoropaka avokoa ny olona rehetra raha vao nahita ny afo nijoalajoala avy amin’ity fiara ity. Tao ny niezaka namono, ny sasany avy hatrany dia niantso mpamonjy voina. Tonga teny avy hatrany ireto farany, niezaka namehy ny afo. Sady akaikina toby fivarotana solika rahateo ihany koa no nisy ity fahamaizana ity. Voafehy soa aman-tsara ihany ny afo saingy tsy nisy noraisina intsony ny amin’ity fiara marika « super 5 » ity, afa tsy korontam-by sisa. Tsy fantatra mazava hatreto ny antony nampirehitra azy, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Ankevitry ny firehetan’ireo karazana « fil » ary nahazo ny fitoerana lasantsy angamba. Soa ihany koa fa tsy nisy aina nafoy, raha ny fanazavana azo teny an-toerana hatrany. Na izany na tsy izany, tokony hitandrina sy hizaha ny fiarany foana ireo mpampiasa lalana, hisorohana ny loza toa izao.
m.L