
Mpitsindrona « heroine » iray no nosamborin’ny pôlisy ny alakamisy lasa teo. Saika nivadika ho korontana anefa izany, rehefa nosakanan’ny renin’ity tovolahy ity tsy hanao ny asany ireo mpitandro filaminana.
Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro teo, afak’omaly, dia nidina teny amin’iny faritra Anosizato iny ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, rehefa nahazo vaovao amin’ny fisiana tovolahy iray, 22 taona, mpandray ireny rongony mahery vaika ireny. Tra-tehaka tao amin’ny toerana voalaza mihitsy moa ity farany niaraka tamin’ireo fitaovana fitsindromany « heroine », seringuer anankiroa. Tetsy andanin’izay dia mbola nahitàna izany rongony mahery vaika izany, roa fonosana ,tany aminy. Nilaza tamin’ny pôlisy mazava moa ity farany fa tena mpandray an’io ary mpanjifa fotsiny fa tsy mpivarotra akory. Teo anatrehan’ny zava-nisy, ary asa na nentanin’ny fon-dreny hiaro ny zanany angamba fa dia nanangam-bovona ity renim-pianakaviana ity. Niantso ireo vahoaka teo an-toerana hikomy mihitsy aza moa ity farany mba hanakana ny fisamboran’ny pôlisy ity zanany ity. Saika nivadika korontana izany fisamborana tsotra izany, raha nisy kely. Soa ihany fa nalaky nalamina ny rehetra. Ilay renim-pianakaviana kosa, nentina niaraka tamin’ny zanany tany amin’ny biraon’ny pôlisy, mba hatao famotorana, ary natolotra ny Fampanoavana omaly.
Fa ankoatra ity teny Anosizato ity, tamin’io andro io ihany, dia lehilahy iray 30 taona indray, izay fantatra fa isan’ireo mpanaparitaka itony rongony mahery vaika itony no saron’ny polisy teny Andraisoro. « Heroine efa voatsinjara miisa 32 fonosana kely no tra-tehaka teny aminy tamin’ny fotoana nahasamborana azy io » hoy ny vaovao. Mpaninjara fotsiny ihany ary mpaka tombony moa ingahirainy, raha ny fampitam-baovao azo, satria dia eny amin’iny faritra Antohomadinika iny no voalaza mpamatsy azy. « 3000 Ariary ny fividianany ny fonosana kely iray, ka amidiny 5000 ariary indray izany avy eo ».
Tena mitobaka loatra eto amintsika, indrindra fa eto an-drenivohitra, itony rongony mahery vaika itony tao anatin’ny taona vitsy izay. Hiarahan’ny rehetra mahalala anefa fa matoa mitobaka dia tsy maintsy misy ireo mpamongady sy mpanafatra izany any am-pitandranomasina any. Hatreto aloha, vitsivitsy amin’ireo ngezalahy ireo ihany no voasambotra, izay mazana dia saika teratany vahiny avokoa, fa ny ankamaroany dia saika ireo mpibizibizina kely aty ambany. Heverina araka izany fa efa mitodika mankany amin’izay ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana, hahafahana mamongotra hatramin’ny farany ity fanetriben’ny firenena ity.
m.L