- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : « Garde du corps » nidaroka olona

Anosizato : « Garde du corps » nidaroka olona

Efa mipetraka ny fitoriana eo anivon’ny zandary misahana ny fanadihadiana ny raharaha heloka bevava. Ilay kandidà ho filoham-pirenena – raha tsy misy ny fiovàna – no notorian’ilay olona voalohany. Ny 24 martsa lasa teo ny olona iray, mpandraharaha tsotra, dia nifanao fotoana tamin’ny rangahy iray izay tokony hanome vola azy, raha araka ny filazany. Tao amin’ny toeram-pivarotan-tsolika iray teo Anosizato no natao ny fotoana. Rehefa tonga teo tokoa ilay mpandraharaha ka niditra tao amin’ny “boutique” dia hitany tao ity mpandraharaha izay niaraka tamin’ny mpiaro miisa roa. Avy hatrany dia nanidy ny varavarana izo io raha vao tafiditra ilay olona. Teo dia nisy vava nataon’ny olona ity taminy, fitakiam-bola, raharaha efa iadivany sy ilay mpandraharaha eny amin’ny fitsaràna izany, raha araka ny fanazavana azo. Tsy vitan’ny resaka anefa ny raharaha fa nisy fampiasan-kery. Nitsangana ireo mpiambina roa lahy ary nidaroka avy hatrany no sady niteny ratsy. Voahisy totohondry ary rehefa latsaka tamin’ny tany dia nohitsakitsahina ilay rangahy ka tsy tafarina intsony. Izany rehetra izany dia teo imason’ny kandidà hatrany, ary notananan’ny ankilany hatramin’ny farany tamin’ny fitoriany. Raha tsy nisy olona sendra niditra ka nahafantatra ilay rangahy izay efa (52 taona) nitsirara tamin’ny tany dia asa izay mety ho niafarany. Naka sary tamin’ny findainy ireo “garde du corps” roa lahy ary mbola nanao farateny talohan’ny nialàn’izy ireo teo an-toerana, ka niarahany tamin’ny kandidà izay nitondra fiara 4X4 mena. Izany rehetra izany dia voarakitra anaty horonan-tsary avokoa satria nisy “camera de surveillance” ilay toerana. Maro ny fahavoazana ara-batana nahazo ilay olona ary nohamarinin’ny mpitsabo ara-taratasy rahateo izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici