Lehilahy iray tokony ho 20 taona eo, no matin’ny herinaratra teny Anosizato Atsinanana, tamin’ny sabotsy alina teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, namahana batery izy tamin’io fotoana io. Ny orana anefa avy be tamin’izay. Tsy fantatra na nisy rano ilay fitaovana na ahoana, fa raha nanomboka nikitika izy dia noraisin’ny herinaratra. Ankevitry ny tsy afaka niala ny anao lahy ary niantso vonjy. Nisy nahare izany, ka nisy ny niezaka nanala azy. Avy eo nentina tany amin’ny hopitaly. Mety mafy ny fahavoazany fa dia tsy tana ny ainy. Ao amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana nanomboka tamin’ny sabotsy.
Maro ireo toerana fanamboarana ireny fitaovana famahanana batery ireny manerana ny sakelin-dalana eto amin’ny renivohitra. Samy manana ny fitaovana hampiasainy ny rehetra ary ao dia ao ny tsy dia misy fitandremana loatra. Tsy mahagaga raha tong any loza.
r.s.