Nandriaka ny rà teny Anosizato, omaly vao maraina. Lehilahy iray manodidina ny 32 taona no fantatra fa maty notafihan’ny jiolahy, tokony ho tany amin’ny 4 ora maraina. Raha ny fampitam-baovao azo dia niaraka nandehandeha tamin’ny vady aman-janany ity raim-pianakaviana ity no nifanehatra tampoka tamin’ny jiolahy mitam-piadiana. Toy ny fanaon’ireo olon-dratsy dia avy hatrany dia nanambana antsy an’ity hazany io olona io, ary nitaky izay vola rehetra tany amin’izy ireo. Araka ny fantatra hatrany dia olona handeha hivarotra maraina ireo fianakaviana kely ireto, no sendra izao zavatra izao. Rehefa nitaky vola tsy nahazo anefa ity jiolahy ity dia avy hatrany antsy no niantefa teny amin’ilay raim-pianakaviana. Nijininika ny rà. Teny amin’ny tendan’ity lehilahy ity no niletra ny antsy. Nifamonjena nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ity raim-pianakaviana ity, nirifatra nitsoaka kosa ilay olon-dratsy nony avy eo. Indrisy anefa fa noho ny habetsahan’ny rà very dia tsy tana intsony ny ain’ity lehilahy mpivarotra ity. Porofo iray, fa efa tena tsy mifaditrovana intsony ireo olon-dratsy eto amintsika. Asa ! noho ny ny hamafin’ny fiainana ve sa ahoana ? Raha ny fanazavana mantsy dia tena tsy nisy vola tokoa tany amin’ity rangahy ity. Ny mampalahelo anefa dia izao ny ainy no nanefa tao anatin’izao hetraketraka nihosin-drà izao.
m.L