
Nanomboka tamin’ny 11ora alina ny alahady teo no nirehitra ny trano fasiana entana « friperie » tetsy Anosizato-Atsinanana. Hatramin’ny 11ora antoandro omaly dia mbola tsy maty tanteraka ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy fa ny fahavoazana kosa dia tena goavana. Tsy nisy azo noraisina intsony ny entana marobe natoby tao an-toerana. Torak’izany koa ny tranobe izay kila tanteraka noho ny hamafin’ny afo. Tsy vitan’izay aza fa mbola may koa ireo fiara izay nipetraka teo an-tokontany. Omaly dia mbola tsy voafaritra ny antony sy nipoiran’ny afo satria mbola nifantoka tamin’ny famonoana an’izany aloha ny laharam-pahamehana. Isan’ny hain-trano goavana teto an-drenivohitra ity nitranga afakomaly ka hatramin’ny omaly tetsy Anosizato ity.
D.R