Moto samihafa miisa telo no sarona tao amin’ny trano nisamborana ireo roa lahy. Nialohavan’ny angom-baovao mahakasika ny fampanofana kodiaran-droa ny jiolahy mpanafika ity tranga ity. Nandeha ny fanaraha-maso isan-karazany nataon’ny polisy ary niafara tamin’ny fisamborana izay nataon’ny service anti-gang izany. Nisokatra ny fanadihadiana mahakasika indrindra io fanomezana fitaovana entina mivezivezy ny mpanao fanafihana io. « Manoloana ny tranga fanafihana mitam-piadiana nifanesy teto an-drenivohitra dia tsy mitsahatra mikaroka ireo mpanao ratsy ny polisim-pirenena. Lehilahy roa 20 taona sy 26 taona no tratran’ny Service Anti-Gang (SAG) teny Anosizato Atsinanana ny alahady teo », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Ny polisy misahana ny raharaha momba ny heloka bevava no miandraikitra ny fanadihadiana. Ny tsikaritra tokoa dia mandeha kodiaran-droa hatrany ny mpanafika rehetra izay nanao ny asaratsiny hatramin’ny taom-baovao teo. Raha tsy hiverenana kely afa-tsy ireo roa lahy nitifitra nahafaty saoferan’ny teratany vahiny iray tetsy Ambodivona. Nambanana basy ny tao anaty fiara ary noterena hanome ny vola sy ny entana rehetra tao. Rehefa vita izay dia notifirina teo amin’ny tratrany ny mpamily ary namoy ny ainy. Nandeha kodiaran-droa miloko fotsy ireo jiolahy izay tompon’antoka tamin’izany. Toa izany koa ny fanafihana toeram-pivarotana lehibe tetsy Andranomena, mbola nandeha moto koa ny jiolahy. Samy mbola karohina ireo ary manomboka misoritra tsikelikely ankehitriny ny fanadihadiana fa mety misy mpamatsy moto ary miovaova ny olon-dratsy. Isan’izany ity ahiana ho mpampanofa izay voasambotra farany ity.
D.R