- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Mbola mitohy ny fikarohana ny tsy hita

Anosizato : Mbola mitohy ny fikarohana ny tsy hita

Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny mpitandro filaminana, nitohy omaly ny fikarohana ilay lehilahy iray mbola tsy hita nandritra ny fihotsahan’ilay tranobe teny Anosizato Atsinanana. Mbola tsy hita mantsy ilay lehilahy iray anisan’ireo niasa tao an-toerana hatramin’ny omaly. Araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, efa nokarohina tany an-tranony izy io, nantsoina tamin’ny finday saingy tsy tratra antso. Anisan’ireo 12 lahy niasa tao an-toerana izy io ny alarobia teo. Ny iray efa hita fa maty ary hita ny razana, ny hafa avotra soa aman-tsara ary manaraka fitsaboana, fa ilay farany ity kosa izao mbola tsy hita popoka izao. Somary manahirana ny fikarohana satria goavana ny firodanana ary ireo vatobe nananganana ny rindrina no nanototra ny toerana ary mbola nifatratra tamin’ny trano roa. Voalaza fa teo ambony honahona no natsangana ilay trano ka anisan’ny niteraka ny loza. Nisy tamin’ny efitra ihany efa nampiasaina na mbola tsy vita tanteraka aza, ka izao nahitan-doza izao. Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Mipetraka ny fanontaniana, nanana fahazoan-dalàna tamin’ny fanganana ny trano, manaraka ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany ve ? Andrasana ny valin’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici