- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Mpiasa 64 torana, sempotry ny fanafody famonoana biby kely

Anosizato : Mpiasa 64 torana, sempotry ny fanafody famonoana biby kely

Noravana mialoha ireo mpiasa tao amin’ity orinasa « zone franche » iray teny amin’iny faritra Anosizato iny. Nisy tamin’ireo voatery nalefa nody ihany koa anefa no torana ho azy teny an-dàlana, ambonin’ireo mpiasa hafa, tao an-toerana izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Raha ny antontan’isa azo teny anivon’ny zandary, dia nahatratra tany amin’ny 64tany ireo mpiasa, sempotra sy torana, voatery nalefa nihazo toeram-pitsaboana, ny sabotsy lasa teo.

Ny zava-nisy : tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any no tonga tao amin’ity « zone franche » iray mpanamboatra fitafiana eny Anosizato ity ireo olona  avy amina orinasa mpamono bibikely, hanantanteraka famendrahana fanafody. Mazava ho azy, efa am-perin’asa avokoa ireo mpiasa tamin’io fotoana  io, izay matetika moa dia miditra amin’ny fito ora sy sasany maraina. Voalaza, araka ny fanazavana azo fa tsy natao hanelingelina ireo mpiasa ny fanondrahana fanafody satria eny ivelany(any an-tokotany) no atao ny fandrarahana izany. Tampoka teo anefa, toa hoe nisy entona sy fofona mavesatra niditra tao an-trano ary nanomboka nisy mpiasa vitsivitsy niha-sempotra. Nisy mihitsy aza ireo torana sy tsy nahatsiaro tena ary nikarapoka tsikelikely. Nikoropaka ny tomponandraikitra, namoaka ireo mpiasa. Nantsoina avy hatrany ny fiara mpitondra marary hitondra ireo niharam-boina ho any amin’ny hopitaly. Fiara maromaro mihitsy no niara-nisalahy nitondra ireto narary ireto, raha ny fanazavana azo. Ambonin’ireo fiara mpitondra marary sy ny fiara mpitondra mpiasa, navadika nitondra ireo mpiasa mila famonjena mantsy dia tonga teny ihany koa ny fiaran’ny mpamonjy voina, nitondra azy ireo ho any amin’ny hôpitaly.  Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireto farany. Tsy nisy nahiana ny ain’izy ireo, raha ny angom-baovao azo omaly, ary efa nalefa nody avokoa. Amin’ny toe-javatra tahak’izao, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana, dia tsy maintsy manokatra fanadihadiana izahay, ary efa ao anatiny tanteraka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici