Nandriaka indray ny rà, teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, omaly. Ary tsy lavitra akory fa vao tetsy Anosizato, niala kely ny tetezana. Fiarabe iray no nandona sarety. Vokany, maty voahitsak’ilay fiarabe ny mpitarika ity farany.
Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo ho eo no nitrangan’ny loza, araka ny filazan’ireo nanatri-maso sy ny zandary tonga teny an-toerana. Teo amin’ny PK01, toerana antsoina hoe Ambodivona, kaominina Anosizato. Efa hiarahan’ny rehetra mahalala tokoa ny fitohanana amin’iny faritra izay hiandohan’ny lalam-pirenena voalohany, izay vokatry ny fahabetsahan’ireo mpampiasa làlana mifamoivoy eny an-toerana, ao anatin’izany ny fiara sy ireo sarety. Etsy andanin’izay moa ny fahateren’ny làlana. Ary izay mihitsy, raha ny fanazavazavana azo avy tamin’ireo mpitandro filaminana no azo heverina no nahatonga ity loza niseho ity. Handeha hiditra aty an-dRenivohitra ilay fiarabe tamin’io fotoana io, izay nifanena tamin’ilay sarety notaritin’ olona. Teo no tsy fantatra mazava na iza no nangalatra tany amin’ny lalan’iza na iza, fa ny zava-nitranga, araka ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany dia voakasok’ilay fiarabe ity sarety feno entana. Vokatr’izay dona sy ny lanjan’ilay sarety izay, tsy voatana intsony dia nipitika ilay mpitarika azy. Ratsy fianjera anefa, fa avy hatrany dia nifatratra tany ambany kodiarana aorianan’ilay fiarabe ihany. Ity farany izay tsy tafajanon’ilay mampily ka dia nitety ny tapany ambonin’ity rangahy mpitarika sarety. Nijininika teo ny rà. Nanomboka nitangorona ny olona ary samy niezaka ny namonjy an’ilay ranamana tao ambany kamiao, saingy indrisy fa tsy nisy azo natao azy intsony. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nitranga moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary niezaka nandamina ny fifamoivoizana. Taorian’ny fitsirahana ny razana izay nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany ,dia nomena ny fianakaviana izany nony avy eo. Satria nisy aina nafoy, dia nentina natao andrimaso tany amin’ny tobin’ny zandary ilay mpamilin’ilay fiarabe namono olona, mba hanaovana famotorana.
m.L