Efa sakafo isan’andro fihinan’ireo mponina eto an-drenivohitra ity resaka tsy fandriam-pahelamana ity. Ny alakamisy alina lasa teo, lehilahy iray 28 taona, handeha hamonjy ny tokantranony no sendra nifanena tamin’ireo tsy mataho-tody, teny amin’ny faritra Anosizato iny. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia bala no niantefa teny amin’ny tongony. Lasa ny vola rehetra tany amin’ity lehilahy ity. Araka ny fanazavana nomen’ny pôlisy dia tokony ho tany amin’ny 9 ora alina tany ho any no niseho ny fanendahana mitam-piadina ity. Nambaran’ilay niharam-boina, izay naratra mafy tokoa ary mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao, fa raha iny izy hihazo elakelan-trano misy ny tranony iny, no tojo andiana tovolahy mihirahira sy mitendry gitara eo ambony tamboho. Noheverin’ity mpivaro-kena ity fa mitovy amin’ireo “mpitaingi-tamboho” tamin’izany andro –fony mbola nilamina fehizay ny tany- ireto tovolahy, izay niisa teo amin’ny telo teo. Ka dia tsy nisalasala izy nitozo hatrany ny diany, namindra mailaka hamonjy ny akaniny, tsy nanahy na inona na inona. Raha iny teo am-pamohana ny vavahadiny iny indrindra anefa izy no nohodidin’ireo bandy mpitendry gitara, nitaky ny vola rehetra tany aminy. Somary nisy ihany ny fifanoherana raha ny fanazavana voaray, ary saika handeha hitsoaka ity tovolahy ity. Ny basy nipoaka, ary ny bala niantefa teny amin’ny tongony havanana anefa no tsy nahatafahetsika azy intsony. Mora tamin’ireo jiolahy araka izany no naka ny vola enina hetsy ariary tany, vola matiny nandritra ny andro. Raha izany fandehany izany no zohina, mety ho efa fantampatatr’ireto bandy ireto ny momba an’ity mpivaro-kena ity ary nandrasan’izy ireo kendry tohana. Taorian’ny tranga vao afaka niantso vonjy ranamana. Tonga teny ihany koa ireo pôlisy marobe, nanao savahao ny faritra, saingy tsy hita tany nanjavonana ireo olon-dratsy. Mandeha araka izany ny fikarohana ary misokatra ny fanadihadiana.
m.L