Ny andron’ny alakamisy lasa teo, lehilahy iray, ahiana mafy ho mpandray no sady mpivarotra rongony no voasambotry ny pôlisy, avy eo anivon’ny « Compagnie Urbaine d’Intervention » (CUI), tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teny amin’iny faritra Anosizato iny. Ao anatin’ny hetsika manokana entina mametraka fandriam-pahelamana eto an-drenivohitra tokoa amin’izao ny pôlisy ary ao anatin’izany ny ady amin’ny fidorohana sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Tamin’io fotoana io, nandritra ny fisafoana nataon’ireo andia-mpitandro filaminana, no nifanena tamin’ity lehilahy hafahafa fihetsika ity, izay nitondra harona « sachet » maintimainty. Nasaina nijanona avy hatrany ingahirainy ary natao ny fisavàna. Hita tao anatin’io sachet io ny rongony maina, mahavita fonosana maromaro ihany raha tsinjaraina. Tsy afa-nandà intsony moa Ingahy. Natao ny fisamborana sy ny fitondràna azy teny anivon’ny biraon’ny kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna, ho amin’ny tohin’ny famotorana azy.
Fa ankoatra ity tetsy Anosizato ity, ary ao anatin’izay ady amin’ny zava-mahadomelina izay hatrany dia, ny herinandro lasa teo, lehilahy iray ihany koa no voasambotra tany Soanierana Ivongo tany, teny amin’iny lalam-pirenena fahadimy iny. Raha ny fampitam-baovao dia tra-tehaka nitondra rongony maina, efa vonon-kamidy, iray gony ingahirainy. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana.
m.L




