- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnosizato : Mpivarotra rongony tratran’ny polisy

Anosizato : Mpivarotra rongony tratran’ny polisy

Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy miady amin’ny fihanahan’ny zava-mahadomelina, ny rongony indrindra, fa misy olona mivarotra izany eny Anosizato Atsinanana sy eny Ambohijafy Itaosy. Nidina teny an-toerana ry zareo ka tamin’izany no nahatratrarana olona telo. Lehilahy no voasambotra teny tokony tamin’ny 8ora maraina tao an-tranony teo am-pivarotana rongony, rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony 21 fonosana sy rarany 25g. Mpivarotra sady mpifoka ity lehilahy ity. Lehilahy roa kosa no voasambotra teny Ambohijafy Itaosy tokony tamin’ny 11 ora maraina. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahatratrarana rongony 35 fonosana. Tamin’ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa efa 1 taona no nivarotany rongony. Izy telo lahy ireo moa dia malaza ratsy amin’ny fivarotana rongony ary eny amin’ny Faritra IVO (Canal Andriantany) no fividianan’izy ireo rongony,ka 300 Ar no hividianany azy ary 500 Ar no hamarotany azy. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy telo ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser