Rangahy iray, voalaza ho nanolana ny zana-badiny no voasambotra teny Anosizato ny faran’ny herinandro lasa teo, notanana am-ponja eny Tsiafahy taorian’ny fanadihadiana rehetra natao taminy. Nidoboka niaraka taminy ihany koa ny vadiny izay noheverina ho niray tsikombakomba noho ny fahafantarana ny zava-misy kanefa tsy nitoroka. Eny Antanimora ramatoa. Ankizivavy 14 no niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny raikeliny teny Anosizato. Araka ny fanazavana azo dia tsy vao indray mandeha fa efa matetika io tovovavy io no nanamparan’ilay rangahy ny filan-dratsiny. Mazana izy no nitaraina tamin’ny reniny kanefa vao mainka nampirisika azy hanafina izany amin’ny manodidina itsy farany. Noferany mafy razazavavy tsy hilaza na hitantara ny manjo azy amin’ny olona. Natahotra sao dia higadra ity vadiny ka izay vao ho tapaka sotro fihinanana, ka naleony lavitra mahita an-janany miharitra fanararaotana ara-nofo.
Diso kajy anefa ramatoa fa tratra ihany ny nafenina noho ny farany ka izao voasambotra niaraka tamin’ny vadikeliny izao. Rehefa tsy nihaino azy mantsy ny reniny dia voatery nitaraina tamin’ny manodidina azy izy noho ny tsy fahazakany ny herisetra ara-pananahana nihatra taminy. Ireo olona ireo indray no nanampy azy nitoroka sy nitantara ny zava-misy teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana . Nisy ihany koa ny fizahana natao tamin-drazazavavy ary voamarina fa niharan’ny herisetra ara-pananahana. Simba ny taovam-pananahany sy ny lavaka fivoahan’ny maloto. Taorian’izay dia nosamborina tao an-tranony ralehilahy niaraka tamin’ny vadiny izay heverina ho mpiray tsikombakomba taminy. Nalefa eny Tsiafahy iretsy farany mandra-piandry ny fotoam-pitsarana rehefa avy nanaovana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
Yv Sam