- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Nirehitra teo am-pakana solika ilay taxi-be

Anosizato : Nirehitra teo am-pakana solika ilay taxi-be

Saika zava-doza.

Amin’ny andro atoandro, nikoropaka ny olona omaly. Ny antony dia nirehitra tampoka ny afo teo amin’ny fiara fitateram-bahoaka iray. Samy nivoaka namonjy ny ainy ny mpandeha. Ny mpiasan’ny tobin-tsolika kosa nipararetra avy hatrany saingy mba haingana izy ireo dia nahita vahaolana. Ny fitaovana famonoana afo tao amin’ny toeram-pivarotana no nalaina haingana ary nampiasaina. Mba voafehy ihany ny loza. Taxi-be tsy tomombana ara-teknika no niteraka ny afo ary loza tanteraka raha nihitatra izany. Asa raha azon’ny tompon’ny fiara an-tsaina fa ain’olona marobe no indray nolalaoviny raha toa ka nipoaka teo ny tobin-tsolika. Dikan’izany dia tsy tokony hatao sangisangy ny fanaraha-maso ny fiara, indrindra fa ny elektronika ao anatiny. Mba afa-doza aloha tamin’ity tranga nampitahotra ny maro ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici