Variana tanteraka ny fianakaviana iray misoratra amin’ny ampahan-tany iray etsy Anosizato-Andrefana, raha nahita izany, nisy namaritra sy nanisy « borne », omaly. Efa tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany mantsy izy ireo no efa nanajary izany. Amin’ny maha-lalam-pirenena voalohany azy anefa tamin’izany fotoana, dia tsy nahazo alàlana ny nanorina izy ireo. Rehefa novaina ny làlan’ny RN1 dia nitohy ny fanajarian’ilay fianakaviana izay efa nanao izany ary efa am-polon-taonany maro. Voaporofon’ny taratasim-panjakana isan-karazany, dia ny « certificat d’immatriculation » sy ny « situation juridique » izany rehetra izany. Nitohy ny fikolokoloana ny tany rehefa niova ny lalam-pirenena, araky ny alàlana nomen’ny fanjakana ny fianakaviana. Tampoka anefa dia nisy olon-kafa izay nilaza ny ho tompon’ny tany ary nanao ny famaritana sy nametraka « borne ». Amin’ny fianakaviana voakasika dia fandikan-dalàna tsotr’izao ity tranga ity. Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny fanazavana avy amin’ny ministeran’ny asa vaventy ny amin’ny tsy fahazoan’olon-tsotra mampiasa ireo lalam-pirenena teo aloha raha toa ka tsy mbola misy ny « désaffectation », izany hoe ny fanesorana tsy ho lalam-pirenena intsony an’izany. Omaly, nandritra ny fametrahana « borne » dia nanazava ny vadintany nanotrona izany, fa manana didim-pitsarana mahakasika ity famaritana ity. Mangataka ny fianakaviana izay nanajary ny tany mba tsy hanitsakitsahana ny zony…
D.R