
Nisehoana trangam-panafihana mahery vaika indray teny amin’iny faritra Anosizato iny ny alin’ny zoma lasa teo. Tsy nahatanteraka izany anefa ireo olon-dratsy fa tonga ara-potoana ireo zandary, izay notarihin’ny lehiben’ny borigady etsy Fenoarivo. Vokany, jiolahy roa no lavon’ny bala, nandritra ny fifampitifirana nifanaovan’ny roa tonta. Raha ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny 11 ora no niditra amboletra tao aminy orinasa iray mpanamboatra plastika ny andian-jiolahy niisa enina nitondra basy mahery vaika. Afaka niantso vonjy ihany anefa ireo tompon’andraikitra tao amin’ity orinasa ity. « Avy hatrany dia namonjy teny an-toerana izy ireo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 15 minitra teo. Tonga dia nanao ny fisavana ny manodidina ka hatrany ambony tafontrano ireo zandary miaraka tamin’ny mpiambina ny orinasa iray. Raha iny tafakatra tany ambony tafo iny ny “chef de poste” sy ny zandary namany sasany dia nisy nitifitra avy hatrany, ka raikitra ny fifamalian-tifitra » hoy ny fanazavana avy amin’ny zandary. Fotoana maromaro taty aoriana fa nijanona ny fifampitifirana, ary niroso tamin’ny fisavana ireo mpitandro filaminana. « Roa tamin’ireo mpanafika no hita lavo tamin’izany ka mpiasan’ny orinasa ihany ny iray tamin’ireo. Ny efatra kosa dia tafaporitsaka avy tany ambadika avaratra », hoy hatrany ny vaovao. Araka ny fantatra hatrany dia roa herinandro talohan’io no efa nisy olon-dratsy nikasa ny hanafika ity orinasa ity saingy tsy nisy tratra olon-dratsy tamin’io fotoana io. Azo vinavinaina ho ireto olona nikasa hamaky ireto ihany ireo ireto jiolahy nifanandrina tamin’ny zandary ireto. Mbola mitohy kosa hatreto ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L