- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Raim-pianakaviana maty voatifitry ny jiolahy

Anosizato : Raim-pianakaviana maty voatifitry ny jiolahy

Manodidina ny misasakalina ny alahady teo no nirefotra ny basy tetsy Anosizato-Atsinanana. Lehilahy iray izay raim-pianakaviana no lavo taminy tany, nihoson-drà rehefa voatifitra teo amin’ny masony. Raha araka ny fanazavan’ny manodidina dia toeram-pivarotana enta-madinika no nataon’ny jiolahy lasibatra. Nidiran’ireo an-keriny tao amin’ilay toerana ary raha araka ny fantatra dia vola mitentina 400.000 ariary no lasa nandritry ny fanafihana. Tao anatin’izany no nisy olona izay nahavita nampandre ny polisy izay miasa teo amin’ny fasan’ny karàna. Indrisy anefa fa olona efa maty no hita teo an-toerana rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana. Efa mihohoka mitomany eo amin’ilay raim-pianakaviana tsy misy aina ny vady aman-janany. Izany tranga mampalahelo izany no niain’ny fianakaviana iray tetsy Anosizato-Atsinanana. Isan’ny naroson’ny olona izay monina eny an-toerana ny mba tokony hamelomana ny jiro amin’ireo andrin-jiro maro eo an-toerana. Isan’ny mampahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana mantsy ny haizina  noho izany lesoka izany. Isan-taona dia mirongatra ny asan-jiolahy rehefa an-katoky ny fetin’ny faran’ny taona toa izao. Manamarina an’izany ny antontan’isa rehetra rehefa volana desambra. Isan’ny tokony hojerena manokana arak’izany ny fandriam-pahalemana amin’ny tanan-dehibe satria miverimberina hatrany izany tranga izany amin’ny vanim-potoana toa izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici