Tokony ho tamin’ny fito ora maraina no nirefotra ny basy tetsy Anosizato omaly. Raha araka ny fanamarinana natao dia nisy “cash point” nisy nanafika teo an-toerana. Vita izany dia nitsoaka ireo roa lahy farafahakeliny. Teo no nifanena tamin’ny ramatoa iray ary tsy fantatra mazava izay tena nitranga fa avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy ary maty tsy tsa-drano. Omaly no tonga nametraka fitoriana ny havan’ny maty ary omaly ihany koa dia efa nanomboka nanokatra fanadihadiana ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava. Ny fantatra aloha hatreto dia tsy mpikirakira “cash point” ilay ramatoa fa sendra nifanena tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nitsoahan’ireo. Marobe ny fanontaniana mbola mila hazavaina ny amin’ny mety ho antony namonoana azy. Isan’izany ny hoe mety ho mahafantatra tarehy an’ireo jiolahy ve? Sa kosa nanelingelina ny fitsoahan’ireo? Tamin’ny tambajotra sosialy kosa no nahafantarana fa anabavin’ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, ilay ramatoa lavon’ny jiolahy. Nidina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty io farany nijery sy nanamarina ny zava-nitranga. Tsy voalohany izay no nisy ny fanafihana “cash point” teny Anosizato sy ny manodidina azy, toa an’Ilanivato sy Itaosy. Miady aman’aina hatrany ny asan’ireo mpikirakira ireny kiosque ireny satria tena tian’ny jiolahy ny manafika izany noho ny fieritreretan’izy ireo fa misy vola mivezivezy hatrany eo amin’ireo birao kely. Vao haingana koa no namoizana ain’olona teo Ambatomaro sy Ampasampito. Ny volana lasa teo no voatifitra ireo mpandrindra “cash point” tamin’ireo toerana ireo. Samy maty avokoa. Raha misy fanafihana tena mivadika heloka bevava ankehitriny dia ny mahakasika ireny toerana ireny no tena betsaka. Hatreto anefa tsy hita izay mety ho fepetra raisina satria sarotra ny hametraka mpiambina isaky ny misy kiosque. Dia samy miaro ny azy eo fotsiny sisa izay mitazona “cash point”. Mila dinihin’ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana ihany ary koa ny tambajotram-pifandraisana izay tena mahazo tombony amin’ny fampiasana ireny kiosque ireny ny vahaolana, satria lasa matimaty foana ny olona.
D.R