- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Rongony 180 kg sarona, telo mianadahy voasambotra

Anosizato : Rongony 180 kg sarona, telo mianadahy voasambotra

Izy telo mianadahy mpibizina rongony miaraka amin’ireo « entana » aman-jatony kilao.

Lehilahy ny roa ary vehivavy ny iray. Ireo no voasambotry ny pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina teny amin’iny faritra Anosizato iny noho ny resaka fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina. Rongony mahatratra teo amin’ny 180 kilao eo ho eo no sarona tao an-tranon’izy ireo. Ny sabotsy lasa teo izy ireo no voasambotra araka ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisy. Niainga tamin’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahalalan’ireo mpitandro filaminana ny fisian’ireo mpibizina rongony ireo. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo, ary tamin’izany no nahitàn’izy ireo lehilahy iray nivoaka avy tamina elakelan-trano, nitondra sakaosy. Hahafaha fihetsika ity lehilahy ity ka naraha-maso hatreo, nandritra ny andro maro. Ny sabotsy lasa teo no nanapa-kevitra ny hisambotra azy ny pôlisy. Tamin’ny fisavàna no nahatratrarana rongony milanja eo amin’ny roa kilao latsaka teo teny aminy. Nentina natao famotorana avy hatrany ity farany ka tamin’izany no nanondroany ireo mpiray tendro aminy, vehivavy sy lehilahy, teny Anosizato. Nidinana teny an-toerana avy hatrany ireto mpamatsy rongony ireo ka mbola tratra tao an-tranony ny rongony amin’ny gony maromaro, izay mitotaly eo amin’ny 180 kilao eo ho eo. « Fantatra ary fa amidin’ilay tovolahy 45000 ariary ny « sachet » ary eny Itaosy no hamarotany izany iray. Ny tompon’entana tao Tandrokomby Anosizato no nanome azy izany asa izany ». Mbola olon-kafa karohin’ny pôlisin’ny Stup fatratra moa amin’izao, naman’ireto farany ihany, araka ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici