- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Taxi iray kila forehitra tsy nisy azo noraisina

Anosizato : Taxi iray kila forehitra tsy nisy azo noraisina

Ny alarobia alina tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, nirehitra ny taxi iray teny Anosizato Andrefana. Tsy nisy azo noraisina ilay izy ary ireo nahita dia nitazam-potsiny. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy tsy fetezana ilay fiara tamin’io fotoana io. Niezaka namelona azy ny tompony fa tsy nety mihitsy. Nanomboka nisy olona tonga ary samy nijery teo. iray tamin’ireo mpitazana ireo no niteny fa misy tariby tsy mandeha amin’izay laonina angamba ka izany no tokony ho jerena. Dia raikitra niondrika nitazana izany. Natambatra ny taribihy Novelomina tamin’izay. Toa izay anefa ny nahatonga ny firehetana, satria tonga dia nisy afo nirehitra. Nitatra vetivety izany. Nikoropaka ny tompony. Tetsy andaniny, nisy olona nanondraka rano tamin’ny siao ilay fiara. Avy hatrany dia afo nijoalajoala no hita. Dia tsy nisy azo natao intsony fa samy nihataka lavitra ny olona. Ny tompony tamin’izay fotoana izay dia nampalahelo tokoa ny nijery azy, ary voalaza fa latsaka hatramin’ny ranomasony. Nisy ihany ny niantso ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana. Rehefa tonga anefa ireo tsy afaka nanao na inona na inona koa. Lasa lavenona tanteraka ilay fiara. Dia tsy fantatra marina ny antony nampirehitra io fiara io fa samy tonga saina ihany ny rehetra. Nandeha ny resaka avy eo fa raha misy tranga ohatra an’izao, tsy fomba mihitsy ny mamono ny afo amin’ny rano, satria vao mainka mampihanaka ny solika ao anatiny izany ary dia tsy ho tana ny firedaredany. Torohevitra no nataon’ny sasany, fasika na tany no mety hamefena ny afo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser