- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Telolahy mpivaro-kena nidoboka eny Tsiafahy

Anosizato : Telolahy mpivaro-kena nidoboka eny Tsiafahy

Ny alarobia (3 mey) lasa teo no nitranga ilay heloka bevava. Teo am-pisotroana toaka ireo mpivaro-kena, teo Anosizato-Atsinanana, no sendra nandalo ny tovolahy iray. Asa izay nahazo azy ireo fa nafangarony tamin’ny mpanendaka io farany. Efa tao anaty hamamoana rahateo ka dia namoaka antsy tsirairavy avy ireo mpivaro-kena ary nataony toa ireny manao ny asany andavan’andro ireny ilay lehilahy. Feno tsatok’antsy io ary rehefa tsy nihetsika intsony dia nojerena tamin’izay ny tarehiny ary hita teo fa olona monina eo an-tanàna ihany. Niafana ny toaka ary nanomboka teo dia nitsoaka teo an-tanàna ry zalahy. Olon-kafa no natao nivaro-kena nanomboka ny ampitson’iny. Fantatra ihany anefa ny marina rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny polisy eo misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Ny telo no voasambotra raha mbola ifampitadiavana kosa ny ambiny. Omaly izy ireo no natolotra ny fampanoavana ka raha araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ireo nahavanon-doza ireto. Mbola endrika fitsaram-bahoaka ihany ny toy izao ary ny tena loza dia tondromolotra fotsiny dia nampihetsika ireto olona ireto. Toraka izany ihany koa, fihetsika tsy voahevitra tao anatin’ny fotoana fohy dia niteraka heloka bevava ary nampiditra am-ponja eny Tsiafahy. Mila fanarenana hatrany amin’ny farany ambany eto amin’ny firenana dia ny fanamafisana ny fanabeazana izany. Tsy misy dikany intsony ny mamono olona satria maro no tsy mahafantatra ny dikan’izany ain’olombelona izany amin’izao fotoana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici