- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Tranombarotra voatafika, olona roa voatifitra

Anosizato : Tranombarotra voatafika, olona roa voatifitra

Nirefotra ny basy, nandriaka ny rà. Olona roa indray no naratra mafy, voatifitra, nandritry ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tetsy Anosizato ny alakamisy tolakandro teo. Tranombarotra iray mahakasika ana zava-pisotro no lasibatry ny andian-jiolahy nirongo basy tamin’io fotoana io. « Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro teo no nitranga io fanafihana io, izay nataona bandy efa-dahy nitondra basy poleta ary nandeha môtô » hoy ny fanazavàna azo avy tamin’ny tompon’andraikitry ny zandary misahana iny faritra iny. Finday iray fotsiny no voalaza fa lasan’ireo olon-dratsy tao anatin’izany. Saingy kosa nisy olona roa voatifitr’ireo olon-dratsy. « Nijanona tamin’ny môtô teo anoloan’ireo tranombarotra io ireo jiolahy ary avy hatrany dia niditra, nanambana basy ireo tao anatin’ny trano. Saika mpanjifa sy mpiasa madinika avokoa anefa no tao amin’io fivarotana io tamin’ny fotoana nanafihan-dry zalahy fa tsy tao ny tompony ». Nentin-tahotra avokoa ny iray trano tamin’izay fotoana izay. Nisy olona anefa tety ivelany nahita ny zava-niseho ary niantso vonjeo avy hatrany. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja dia nirefotra tany amin’io olona io ny basin’ireo olon-dratsy, nandratra azy avy hatrany. Tsy tapitapitr’izay ihany koa dia nirefotra fanindroany ny basy, niantefa indray teny amina mpiasa iray  tao amin’ilay tranombarotra, izay angamba noheverin’ireo olon-dratsy ihany koa fa nikasa ny hanakana azy ireo. Nitsoaka avy hatrany moa ireto farany rehefa avy nitifitra, tsy nahatondra afa-tsy finday iray tavela tao. Taorian’ny fanafihana moa vao nahazo antso ireo zandary ary niezaka nidina teny an-toerana farak’izay haingana. Efa nadio anefa ny rano nitàn’ireo olon-dratsy nony tonga teny izy ireo. Ny hany azo natao dia ny namonjy ireo olona naratra, izay nentina nihazo toeram-pitsaboana haingana. Na izany aza anefa dia efa mandeha ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici