- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Tratra ny mpangalatra « panneau solaire »

Anosizato : Tratra ny mpangalatra « panneau solaire »

Tratra ambodiomby ireo mpangalatra ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary no sarona izy ireo, teo am-panaovana ny asaratsiny. « Raha vao nahatazana ny zandary ireo mpangalatra dia vaky nandositra. Ny iray tsy tafahtesika teo ary mbola sarona niaraka taminy ny fitaovana fanaovana halatra », hoy ny fanazavan’ny zandarin’Ampitatafika izay miandraikitra ny fanadihadiana. Nandritra ny famotorana no nanondroany ny namany roa hafa. Noteneniny tao anatin’ny fanadihadiana azy ihany koa ny fisian’ny mpividy halatra iray. Eny Anosibe io farany no mipetraka. Nangatahina alàlana ahafahana misava teny amin’ny fampanoavana ary rehefa natao ny fisavàna dia nahitàna « régulateur » tao amin’ilay trano. Isan’ny ampiasaina amin’ireny « panneau solaire » ireny ny « régulateur » ary mazava ho azy fa voaporofo tamin’io ny maha-mpiray petsapetsa azy amin’ireo mpangalatra. Nohazavain’ny mpitandro ny filaminana fa vola 70.000 ariary no hividian’ilay mpandray halatra ny « panneau solaire ». Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa voakasik’ity raharaha ity. Nahatohina ny maro ny halatra ireny fitaovana mpanazava ireny. Tsy vitan’ny mba endriky ny tanàna fa koa mbola nanampy betsaka tamin’ny ady amin’ny asan-jiolahy. Tapitra najifa anefa ny ankamaroany ary niverina maizina ny toerana no sady ratsy be ihany koa ny fijery ireo andrin-jiro rehefa niala ny « panneau solaire ». Maniry ny olona raha mba saziana mafy ireo mpangalatra fananam-bahoaka toa ireny…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici