Raha zohina ny zava-nisy ny talata maraina lasa teo, manodidina ny tamin’ny 7 ora tany ho any, tokantrano iray tetsy Anosizato atsinanana no notafihana andian-jiolahy izay nirongo fitaovam-piadiana. Raim-pianakaviana iray izay marihina fa mpamily niaraka tamin’ny mpamily mpanampy azy no lasibatra tamin’izany. Nandritra ny fanafihana dia nisy ny famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana. Voalaza mantsy fa voavely hazo sy voatsatoka antsy ireto farany. Ilay mpamily dia maty tsy tra-drano avy hatrany fa ilay mpanampy azy kosa dia mbola nahavotra ny ainy na dia nofatorana aza tamin’io fotoana io. Ity farany no nampandre ny manodidina sy ny mpitandro ny filaminana sy nitondra ilay naratra teny amin’ny hopitaly. Voalaza fa najifan’ireo jiolahy ny entana rehetra tao an-trano taorian’ny fanafihana ary dia nentin’izy ireo nitsoaka ihany koa ny kamiao izay nijanona tao an-tokotany. Nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha ny teo anivon’ny zandarmariam-pirenena raha vao naharay antso fampandrenesana tamin’ny olona tsara sitra-po fa nizotra nianatsimo tamin’ny làlam-pirenena fahafito ilay kamiao nentin’ireo olon-dratsy ireo. Napetraka avy hatrany ny sakan-dàlana rehetra manelanelana an’Antsirabe sy Morondava ary Ambositra sy Fandriana. Vokany: tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny andron’ny talata io ihany, dia saron’ireo zandary mpanao barazy rao amin’ny Kaominina “Ivato centre”, distrikan’Ambositra, ilay kamiao. Raha iny nanajanona ny fiara iny anefa ireo zandary dia mbola nirifatra nandositra ihany ny mpivady, izay voalaza fa atidoha nikotrika izao fanafihana sy famonoana olona izao. Ilay mpamily kosa dia voatazona soa aman-tsara. Ity farany no nahafantarana fa voakarama hamily ilay kamiao fotsiny ihany ny tenany ary tsy nisy resaka fanafihana fa fakana ankondro any Vohiparara no nifanarahan’izy ireo tamin’izany. Izy ihany koa no nanoro ny naman’ireto mpivady ireto izay nanaraka “taxi-brousse” avy ao aorian’ilay kamiao. Noraisim-potsiny izy ireo noho izany. Mbola manohy ny fikarohana ireo mpivady tafatsoaka kosa ny zandary ary efa eo am-panaovana ny fanadihadiana rehetra mahakasika an’io raharaha io ihany koa izy ireo. Ny fianakavian’ny maty dia efa nameraka fitoriana teny anivon’ny “Brigade criminelle” ary efa nomena ny Kaompania ao Ambositra izay miandrakitra feno ny raharaha.
Niony H.