Vehivavy manodidina ny 35 taona no hita faty, nantsigevan’ny ranon’Ikopa tetsy Anosizato ny sabotsy maraina lasa teo. Tamin’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo tamin’ity vehivavy ity no nahafantatra fa novonoina izy io ary navalàna ny rano nony avy eo. Misy ratra mantsy tao amin’ny hatony, toy ny hoe avy nodarohana hazo na vato ireny. Raha ny vaovao azo dia ireo olona nandeha vao maraina teny amin’iny faritra iny no nahatazana ity zavatra hafahafa natsingevan’ny rano. Rehefa nodinihana akaiky dia vatana efa tsy nisy aina intsony izy io. Nantsoina haingana ny tomponandraikitra rehetra teny an-toerana ary nampiakarina teny an-tanety ny razana. Tsy nisy nahafantatra ity vehivavy ity rahateo ireto mponina teny an-toerana. Tany aminy koa moa tsy nisy taratasy azo namantarana ny mombamomba azy. Vinavinan’ireo nahita ny hoe, mety ho nisy nanendaka izy io ary niafara tamin’ny famonoana azy mihitsy. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ny razana, ary efa nanokatra ny fanadiahadiana ireo mpitandro filaminana.
m.L