Fivarotana toaka gasy sy rongony no antony nisamborana azy ireo. “Vehivavy roa izay 23 sy 29 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny talata teo. Teny amin’ny faritra Ambohijanaka sy Anosizato Atsimo izy ireo no nalaina” raha araka ny fanazavan’ny polisy. Olon-tsotra no nahita ny fanaon’ireo ka nitantara tany amin’ny mpitandro ny filaminana. “Raha ny fantatra dia efa hatramin’ny taona lasa no nanaovan’ireo vehivavy ireo izao varotra toaka gasy sy rongony ary tsy aiza fa ao an-tranon’izy ireo eny Ambohijanaka sy Anosizato ihany” hoy hatrany ny polisy. Rongony sivy fonosana sy toaka gasy 20 litatra no sarona tetsy Ambohijanaka. Iny andron’ny talata iny ihany dia nitodi-doha teny Anosizato ireo mpitandro ny filaminana ary nisambotra ilay vehivavy faharoa. Nahatrarana rongony dimy fonosana lehibe tao an-tranony nandritry ny fisavàna. Efa nogiazana avokoa ireo zava-mahadomelina tratra ary samy niaiky ny helony izy roa vavy.
D.R